Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Hitady Ahy fatratra izy rehefa azom-pahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho Ambara-piaikiny ny helony Sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Hitady Ahy fatratra izy rehefa azom-pahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:15
51 Rohy Ifampitohizana  

nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.


kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.


Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe: «Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan’Andriamanitra ahy.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka notsoahany tamin’ny fahatereny.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


«Intỳ, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany. Eto no honenako! Eny, eto no tiako!


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;


no anenjeho azy amin’ny tafio-drivotrao sy ampitahory azy amin’ny rambon-danitrao.


Izaho dia tia izay tia ahy; ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.


Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin’ny tany, dia hahay hitondratena mahitsy ny mponina eran’izao tontolo izao.


Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;


Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no tomponareo. Hangalako iray isan-tanàna na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiôna.


Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika, ka miverena amin’ny TOMPO isika.


Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.


Avy eo dia niakatra niala teo afovoan’ny tanàna ny voninahitry ny TOMPO ka nijanona teo amin’ilay tendrombohitra atsinanan’i Jerosalema.


Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.


Dia hotsaroanareo ny fitondrantena ratsy sy ny asa tsy mendrika nataonareo, ka hankaloiloy anareo ny helokareo sy ny zavatra maharikoriko vitanareo.


Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny toerany, ary midina ka mandeha eny am-paratampon’ny tany;


Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra