fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;
Hosea 1:2 - DIEM PROTESTANTA Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fiandohan’ny tenin’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Hosea: Hoy NY TOMPO tamin’i Hosea: Andeha ianao manambady vehivavy janga, zanaky ny fijangajangana, fa fatra-mpijangajanga miala amin’NY TOMPO ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.» Baiboly Katolika Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tany afa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny niandohan’ny nitenenan’i Jehovah tamin’i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha hianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany. Malagasy Bible Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany. La Bible en Malgache Ny fiandohan’ny tenin’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Hosea: Hoy NY TOMPO tamin’i Hosea: Andeha ianao manambady vehivavy janga, zanaky ny fijangajangana, fa fatra-mpijangajanga miala amin’NY TOMPO ny tany. |
fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;
Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.
Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.
Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.
Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.
Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.
Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.
Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»
Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»
Izaho dia mahalala an’i Efraîma, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraîma, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.»
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.
Ny haka vadin’olona ary ny tsy hitsaha-manota amin’izany no imasoany; ny mpino tsy miorina tsara, angoleny; ary liana fitiavan-karena loatra ny fony: eny, olona hiharan’ny loza nambaran’Andriamanitra ireo!
ary nisy anarana voasoratra teo an-kandriny, dia anarana mifono hevi-miafina manao hoe: «Izaho no Babilôna lehibe, foiben’ny fijangajangana sy ny fanazimbazimbana eto ambonin’ny tany.»