Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ahoana no hilazanao hoe: ‹Tsy nandoto tena aho, tsy nandeha nanaraka an’ireo Baala aho?› Zahao ny dian-tongotrao ao amin’ny Lohasaha, ka mieke ny nataonao! Rameva vavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankarỳ ny diany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, Tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, Fantaro izay nataonao, Ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala* aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:23
24 Rohy Ifampitohizana  

Ny Jiosy dia miramirana sy ravoravo ary heni-kafaliana amam-boninahitra.


Voarakitra ato an-tsaiko hatrany ny teny fikomian’ny olon-dratsy hoe: «Tsy misy dikany aminay ny fanajana an’Andriamanitra!»


Izany ve no ataonareo ka dia hangina Aho sa heverinareo Aho fa mitovy aminareo? Horeseko lahatra mihitsy ianareo ary ny toetranareo hasehoko eo imasonareo!


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


Misy karazan’olona izay mihevi-tena ho madio, nefa tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.


Toy izao no fomban’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: misesika remby izy, dia mamafa vava ary miteny hoe: «Tsy nanao ratsy aho!»


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.


«Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin’io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: ‹Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin’ny TOMPO Andriamanitray?›


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Mandra-pahoviana ianao no mbola hiriorio etsy sy eroa, ry zanakavavy mpikomy? Fa ny TOMPO efa namorona zava-baovao eto an-tany: ny vehivavy indray no manenji-dehilahy.


Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.


Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.


Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.»


Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an’i Jesoa hoe: –Fa iza moa no namako?


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra