Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary tamin’ny fihorakorahan’ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ny vato sy ny hazo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa ianareo kosa manatòna eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga!


Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Koa, ho fanombohana, dia hovaliako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin’ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin’ny andriamani-tsiizy mahatsiravina.»


Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;


Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Nalainao ny firavaka volamena sy volafotsy izay nomeko anao ka nampiasainao hanamboarana sampy miendri-dehilahy, dia nanaram-po nijangajanga taminy ianao.


Koa naboridany tanteraka izy, ary novonoiny ho faty tamin’ny sabatra; fa ny zanany lahy sy vavy kosa nentiny. Niharan’ny famaizana izy mba hatao ohatra ho an’ny vehivavy hafa.»


«Niverina nijangajanga indray ianao, ry Ôhôlibà, ka nanao toy ny tamin’ny fahatanoranao, fony ireo Ejiptianina nisafosafo ny tratranao sy nitsapatsapa ny nononao somondrara.


Fony mbola tanora izy, dia efa lasa vehivavy janga tany Ejipta izay nonenany. Tany no nisafosafoana ny tratrany sy nitsapatsapana ny nonony somondrara.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.


TOMPO ô, mitaraina aminao aho fa levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra; ary misy lelafo mandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.


Lozanareo manao amin’ny tapa-kazo hoe: «Mifohaza!» sy amin’ny vato moana hoe: «Mitsangàna!», nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.


Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady, dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin’olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra