Hosea 2:7 - DIEM PROTESTANTA7 Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika7 satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny haninkohaniko sy ny rano hosotroiko, Sy ny volon’ondriko sy ny rongoniko Sy ny diloiloko ary ny fisotroko. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Nijangajanga ny reniny; eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra; fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho. Jereo ny toko |
«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.
Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao, hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.
Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.