Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Tsy ho tia ireo zanany Aho satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 tsy hamindra fo amin’ny zanany Aho satria zanaky ny fijangajangana ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tsy ho tia ireo zanany Aho satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Tsy hamindra fo amin’izay zanany Aho, fa zanaky ny fijangajangana ireny;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 tsy hamindra fo amin’ny zanany Aho satria zanaky ny fijangajangana ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Bahanan’Andriamanitra ny lalako mba tsy hahafahako mandeha; ary amin’ny sakeli-dalana alehako dia nasiany haizina hiraparapako.


Nahoana no velona ny olona tsy mahita lalan-kombana fa toa voahidin’Andriamanitra ho anaty tamboho.


Fa ianareo kosa manatòna eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga!


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.


Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.


Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan’Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin’ny tenako; toy ny irak’i Satàna mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra