Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy Ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, Ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, Eny, hataoko matin-ketaheta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hataoko toy ny tany efitra izy sy toy ny tany karankaina. Eny, hataoko matin-ketaheta izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:5
33 Rohy Ifampitohizana  

Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.


«Noho izany, ry Jerosalema janga, henoy ny tenin’ny TOMPO.


Hatolotro ho eo an-tanan’ireo lehilahinao ianao, ka horavany ny lampihazonao ary harodany ny toeram-panasinanao; hendahany ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.


Tamin’ny andro nahaterahanao dia tsy nisy olona nanapaka ny tadim-poitranao akory sady tsy nisy nampandro anao tamin’ny rano; tsy nohosorana sira na nohodidinina lamban-jaza ianao.


Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.»


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.


Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»


Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.


Nandeha niakatra tany Asiria izy; mahay mizaka tena ny borikidia, fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraîma.


«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.


Amin’izany andro izany, dia ho torana azon’ny hetaheta ireo tovovavy tsara tarehy mbamin’ny tovolahy.


Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra