Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 21:13 - DIEM PROTESTANTA

13 fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ny taranak’i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely nitarika an’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan’ny ankohonan’i Akaba an’i Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho ianao, dia ny tarana-drainao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 fa nandeha tamin’ny làlan’ny mpanjakan’ny Isiraely kosa hianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ny taranak’i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho hianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Hômrỳ, eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany aza;


Raha vao nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanontany azy hoe: –Fihavanana ve no ahatongavanao, ry Jehò? Fa hoy ny navaliny: –Tsy hisy fihavanana, raha mbola manompo ireo andriamani-tsiizy sy manao majika i Jezebela reninao.


I Jôrama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr’i Joda ka nitaona ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin’Andriamanitra.


koa dia hataon’ny TOMPO hiharan-doza goavana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ny vadinao sy ny fanananao rehetra.


Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.


Nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra izy, dia tahaka ny nataon’ireo taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Jôrama.


hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.


Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


«Lozanareo manorina sy manitatra tanàna amin’ny vono olona sy fanaovan-keloka.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.


Fa tsy hanao tahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton’ny namonoan’i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan’i Kaina, fa marina kosa ny an’ny rahalahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra