Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:2 - DIEM PROTESTANTA

Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Teo no nahitany ny zanaka vavin’ny Kananeanina anankiray, atao hoe Soe, ka naka an’io ho vady izy, dia nandeha taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy.

Jereo ny toko



Genesisy 38:2
13 Rohy Ifampitohizana  

ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Dia niantso an’i Jakôba i Itsehàka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: –Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita.


Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.


Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.


Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.


Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.


Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.


Aza miray petsapetsa amin’ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan’ny marina amin’ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan’ny mazava amin’ny maizina?


Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.


Dia nankany Gazà i Samsôna ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.