Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 34:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’i Hamora Hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 34:2
23 Rohy Ifampitohizana  

sy ny Hivita, ny Harkita sy ny Sinita,


Nolazain’i Abrahama fa anabaviny i Sarà vadiny; koa naniraka haka an’i Sarà i Abimelèka, mpanjakan’i Gerara.


Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.


Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny.


Nifikitra tamin’i Dinà zanakavavin’i Jakôba izy fa tia azy, ka nanao teny nambabo ny fony.


Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.


dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.


Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.


Nampanalain’i Davida izy, ka tonga tao aminy, dia niraisany, ary nody tany an-tranony indray. Vao avy nanadio ny tenany noho ny fadimbolana ravehivavy tamin’izay.


Tsy nety nihaino an-drazazavavy anefa i Amnôna fa natanjaka noho izy, ka nanao an-keriny azy ary niray taminy.


Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho, fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.


Raha tàhiny sodokam-behivavy iray ny foko ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy mijery vehivavy vadin’olona ka mitsiriritra azy dia efa naka azy sahady tao am-pony.


Fa raha avy izay tsy itiavany an-dravehivavy intsony dia halefany handeha araka izay sitrapony izy; fa tsy azony amidy hatao vola aman-karena izy na andevoziny, satria efa novinadiny.


dia hoentinareo hankeo am-bavahadin’izany tanàna izany izy roroa, ka hotorahanareo vato ho faty: ravehivavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria niray tamin’ny vadin’ny namany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.


dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-drazazavavy io lehilahy io; ary satria efa nanaovany an-keriny ilay tovovavy, dia hovadiny izy ary tsy ho azony ariana amin’ny andro rehetra hiainany.


Fa novalian’ny Israelita hoe: –Angamba etỳ akaikinay etỳ ihany ianareo no monina, koa ahoana no hanaovanay fanekempihavanana aminareo?


Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.


Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: –Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan’i Abimelèka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin’i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanàna? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin’ireo taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an’i Abimelèka akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra