Genesisy 16:3 - DIEM PROTESTANTA Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Folo taona no nonenan’i Abrama teo amin’ny tany Kanana rehefa nalain’i Saray, vadin’i Abrama, i Hagara ejiptiana mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama vadiny mba hovadiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay. Baiboly Katolika Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ny tany Kanana Abrama, dia nalain’i Saray, vadin’i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’i Abrama vadiny mba hovadìny. Malagasy Bible Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. La Bible en Malgache Folo taona no nonenan’i Abrama teo amin’ny tany Kanana rehefa nalain’i Saray, vadin’i Abrama, i Hagara ejiptiana mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama vadiny mba hovadiny. |
Dia niray tamin’i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohòka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny.
Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: –Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohòka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!
Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.
Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’izay efa nananany.
Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.
Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.
Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;
Rehefa niala tao Hebrôna ka tonga tany Jerosalema i Davida, dia mbola naka vaditsindrano sy vady hafa koa izay niterahany zanakalahy sy zanakavavy.
fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.
fa ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia; ary i Hagara dia mifandraika amin’i Jerosalema ankehitriny, satria samy mpanompo i Jerosalema sy ny zanany.