Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Dia nomeny ho vadiny i Balà ankizy vaviny, ka niray tamin’io i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’i Jakoba koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:4
12 Rohy Ifampitohizana  

ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.


ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.


Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.


Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketorà no anarany.


Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


Nomen’i Labàna an’i Rahely i Bilehà mba ho mpanompovavy hanampy azy.


Ary bevohòka i Bilehà ka niteraka zazalahy tamin’i Jakôba.


Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa.


Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;


Ireo fito lahy ireo no taranak’i Jakôba tamin’i Bilehà izay nomen’i Labàna ho mpanompovavin’i Rahely.


Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra