Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa afaka izany, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Aiza amin’izay ny vadiko hampakariko, fa efa tapitra ny fe-potoana.


sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»


Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka.


Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bèna-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamîna na zanaky ny tanan-kavanana.


Kanefa ny tanin’ny Hamônita kosa tsy nakekezintsika, dia ny faritra rehetra manamorona ny lohasahan-driaka Jabôka sy ireo tanàna ao amin’ny havoana, toy ny toerana rehetra nosakanan’ny TOMPO Andriamanitsika tsy hakekezintsika.


Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan’i Gilehada miafara amin’ny lohasahan-driaka Arnôna (ka tao afovoan’io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin’ny lohasahan-driaka Jabôka izay sisin-tany mampisaraka amin’ny Hamônita;


Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.


Ny voalohany dia i Sihôna, mpanjaka amôrita izay nonina tao Hesbôna: izy no nanjaka tamin’ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnôna hatreo Harôhera no midina, sy tamin’ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny renirano Jabôka izay sisintanin’ny Hamônita;


Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra