Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr’i Paràna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr’i Paràna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nonina tany amin’ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy-ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny; tany Egypta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:21
18 Rohy Ifampitohizana  

ary ireo Horita tao an-tendrombohitr’i Sehira ka hatrany Ely-Paràna izay akaikin’ny taniefitra.


Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.


Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.


Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!


nandao ny faritr’i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Paràna. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin’ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.


Ary nangalan’i Jôiadà vady roa i Jôasy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy taminy.


Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!


Tonga avy any Temàna Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Paràna. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.


Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.


Rehefa izany, dia niala tao Hatserôta ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr’i Paràna.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.


Koa tsara ny ataon’ilay tovolahy mampakatra ny fofombadiny; fa tsaratsara kokoa ny ataony tsy mampakatra ny fofombadiny.


Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.


Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra