Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary nombàn’Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipîka mahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary nomban’Andriamanitra ny zaza ka nitombo; nonina tany an-tany efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary nombàn’Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipîka mahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an’efitra izy, sy tonga mpandefa tsipìka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary nomban’Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe, dia tonga mpandefa tsipìka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:20
13 Rohy Ifampitohizana  

I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.»


Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin’ny olona rehetra sy hiadian’ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin’ny rahalahiny rehetra.


Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.


Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.


Izao ankehitriny izao, raiso ny fiadianao, dia ny tsipîkanao sy ny zana-tsipîkanao ka mandehana mihaza; ary ento ho ahy izay haza azonao,


Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.


dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.


Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.


Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.


Ary nisehoan’ilay anjelin’ny TOMPO izy ka nilazany hoe: –Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra