Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nefa samy notolorany fanomezana avy ireo zanak’i Abrahama tamin’ireo vady tsindranony hafa ka nampandehaniny hiala amin’Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ny tany atsinanana dieny mbola velona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa ny zanak’ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ny tany atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:6
18 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.


Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketorà no anarany.


Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.


Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy.


Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.


Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.


Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;


I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.


Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.


Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.


mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.


kanefa tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin’ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.


Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.


Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin’ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra