Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.
Genesisy 15:13 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona. Baiboly Katolika Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy. |
Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.
Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.
Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.
Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
Nandre ny fitarainan’ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan’ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.
koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Ataovy tahaka ny anankiray aminareo tompontany ihany no fitondra ny vahiny valovotaka eo aminareo; fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.
Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.
Ary izao no lazaiko: Nisy fanekempihavanana vita ara-pomba nataon’Andriamanitra mialoha; ary ny lalàna, niseho 430 taona tatỳ aoriana, dia tsy hahafoana io fanekempihavanana io ka hahatonga ny fampanantenana tsy hanan-kery.
Ary tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianao ka fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina no nitondrako anao niala tany; izany no mahatonga Ahy TOMPO Andriamanitrao handidy anao hitandrina ny andro sabata.