Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 1:14 - DIEM PROTESTANTA

14 sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 ka nataony nitondra faisana tamin’ny fanompoana mafy, ny fanaovana feta sy biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 ka nataony nitondra faisana tamin’ny fanompoana mafy, ny fanaovana feta sy biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy mafy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 1:14
30 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.


Hira fiakarana. Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! –Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:


«Samy vaky nandositra avokoa na mpanjaka na tafika fahavalo. Ireo vehivavy tavela tao an-trano dia mizarazara ny zavatra voababo.


fitsipika nataony ho an’ny taranak’i Jôsefa fony Izy namely an’i Ejipta. –Feo tsy fantatro no reko nanao hoe:


Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.


Nampanompoin’ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita


Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta,


Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.


Tahaka ny liona mierona sy orsa noana ny olon-dratsy izay manapaka amin’ny vahoaka mahantra.


Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny;


izay nikapoka ny vahoaka tamim-pahavinirana; nikapoka azy tsy an-kiato izy ka namolaka azy tamim-pahatezerana sady nanenjika azy tsy nisy indrafo.


Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»


Ary amin’izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko?» Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan’andro ny anarako.


Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorîna ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.


Aza itratrevatrevana sy ampahoriana izy, fa izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo.


Hataonareo lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hozakainy ho fananany. Ho mpanomponareo hatrany hatrany ireny; fa ny Israelita mpiray firenena aminareo kosa dia tsy azonareo itratrevatrevana sy ampahoriana.


Tahaka ny mpikarama isan-taona izy mandritra ny itoerany eo amin’ilay tompony; ka harahinareo maso ilay tompony mba tsy hanao toetra mitratrevatreva aminy sy mampahory azy.


Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.


Ry mponin’i Ninive, manangòna rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.


Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.


Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.


Efa hitako tokoa fa miferinaina ny vahoakako any Ejipta ary efa reko mitoloko lava ka tafidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny, ndeha ianao hirahiko ho any Ejipta.»


Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.


Ianareo kosa dia nalain’ny TOMPO ka nentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho vahoaka voatokana ho azy tahaka ny amin’izao anio izao.


fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahômỳ, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Marà, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra