Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 dia ny nidinan’ny razanay tany Ejipta sy ny nitoeranay ela tany. Nampahory anay sy ny razanay anefa ny Ejiptiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorian’ny Ejiptianina, na izahay na ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 dia ny nidinan’ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


Nentin’ireo koa ny biby fiompiny mbamin’ny fananana hafa izay noharîny tao amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Ejipta i Jakôba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,


fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny.


Tamin’ny andro fahafito dia maty ilay zaza. Natahotra ny hilaza aminy ny fahafatesan’ny zaza ireo mpanompon’i Davida, fa nifampiresaka hoe: «Fahavelon’ny zaza aza tsy nihaino antsika izy raha mba niteny taminy isika, koa ankehitriny atao ahoana no filaza aminy fa maty ny zaza? Tsy ho loza va?»


ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.


Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.


Nandritra ny 430 taona no nivahinian’ny vahoaka Israelita tany Ejipta.


Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: «Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan’ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?»


Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.


Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!


Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.


Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.


Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakôba sy ny razantsika.


Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.


Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra