Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 20:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ny Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany.


Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.


Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.


Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.


Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra,


Aza mitady izay hiadanan’ireo firenena ireo na izay hahasoa azy na oviana na oviana ianareo amin’ny andro rehetra hiainanareo.


Efa renay ny fomba nataon’ny TOMPO hanamainana ny Ranomasin’ny Volotara teo anoloan’ny razanareo niala tany Ejipta. Efa renay koa fa novonoinareo i Sihôna sy i Hôga izay mpanjaka amôrita anankiroa tany andafy atsinanan’i Jôrdàna ka nafoinareo ho an’ny TOMPO ny fananany rehetra.


ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.


sy izay rehetra nataony tamin’ireo mpanjaka amorîta roa lahy tany ampitan’i Jôrdàna: dia i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna izay nonina tany Hastarôta.


Dia novalian’ireo hoe: –Avy any an-tany lavitra be izahay, tompoko, no tonga noho ny lazan’ny TOMPO Andriamanitrareo; efa renay manko izay rehetra nataony tany Ejipta


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra