Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary hoy koa izy tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman-osin’ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary.


Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Tonga atỳ aminao ny rainao sy ny rahalahinao,


Taorian’izany, dia tonga tany Ejipta i Jakôba mianakavy ary nifindra monina tao amin’ny tanin’i Hama.


Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tamin’ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin’antony.


Tamin’izay dia nisy mosary nanerana an’i Ejipta sy i Kanahàna manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.


kanefa toy izao no tenin’Andriamanitra taminy: «Honina any an-tanin’olona ny taranakao mandritra ny efajato taona sady handevozina sy hampahorîna.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra