Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Genesisy 13:15 - DIEM PROTESTANTA fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao. Baiboly Katolika fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao. Baiboly Protestanta Malagasy fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. Malagasy Bible fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. La Bible en Malgache fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. |
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe
Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.
Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.
Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.
Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.
Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy i Itsehàka.
sady niteny tamiko hoe: «Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.»
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko ho anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao».
Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an’izany ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao.
Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»
Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.
Vahoaka natokana ho Anao izahay, saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay; fa nohitsakitsahin’ny fahavalonay ny Toeramasinao.
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanahàna ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:
Tsy nisy faritra natolotr’Andriamanitra ho anjara lovan’i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain’Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan’ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin’izany fotoana izany,
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Io tany io no nampanantenaiko ombàm-pianianana tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, fony ireo nilazako hoe: «Homeko ny taranakareo ity tany ity.» Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.