Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 28:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo hianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:14
26 Rohy Ifampitohizana  

Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.


Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana;


fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.


Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.


Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,


Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.


antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Fa nandà i Jakôba ka nanao hoe: –Fantatro dia fantatro, anaka, fa ho tonga firenen-dehibe koa i Manase. Kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy, ary ny taranany dia ho firenena maro.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»


satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.


Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»


Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»


Tamin’i Abrahama sy tamin’ilay taranany kosa no nilazan’Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina dia tsy manao hoe «tamin’ireo taranany», toy ny nanondro maro; fa hoe «tamin’ilay taranakao», toy ny manondro tokana: dia i Kristy izany.


Tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan’Andriamanitra ny hafa firenena ho marina; noho izany, dia nambaran’ny Soratra Masina mialoha tamin’i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn’Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!»


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Rehefa hitarin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo araka ny nampanantenainy taminareo, raha maniry mafy hihinan-kena ianareo, dia mahazo mihinana araka izay tianareo.


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Ary reko ny isan’izay voaisy tombokase teo an-kandrina: ka 144 000 no voaisy tombokase, avy tamin’ny fitambaram-pokon’ireo israelita.


Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra