Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 28:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahiniananao izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ary homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahiniananao izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Fa nanontany kosa i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, amin’ny fomba ahoana moa no hahalalako fa ho lasako ity tany ity?


Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.


Nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna i Jakôba, dia tao amin’ny faritany nivahinian-drainy.


Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana.


Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin’ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo. Fiatoana


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany.


Izany no nihatra tamin’i Kristy dia mba hahatafita amin’ireo hafa firenena tafaray amin’i Kristy Jesoa ny fitahiana efa nampombain’Andriamanitra an’i Abrahama ary koa mba handraisantsika roa tonta, amin’ny alalan’ny finoana, ilay Fanahy Masina nampanantenain’Andriamanitra antsika!


Tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan’Andriamanitra ny hafa firenena ho marina; noho izany, dia nambaran’ny Soratra Masina mialoha tamin’i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn’Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!»


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra