Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 28:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Isaka nampandeha an’i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia. ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’i Jakoba sy Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà.


Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.


Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.


Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.


Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.


Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.


Notantarain’i Jakôba tamin’i Rahely fa havan-drainy izy ary zanakalahin’i Rebekà. Dia nihazakazaka i Rahely ka nitantara izany tamin-drainy.


Tonga tany amin’i Labàna aramianina tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: –Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin’i Jakôba!


Ary nandeha i Jakôba nankany amin’i Itsehàka rainy tany Mamre, tao akaikin’i Kiriata-Arbà izay antsoina hoe Hebrôna ankehitriny, fa tao Mamre no nivahinian’i Abrahama sy i Itsehàka.


Nividy entana betsaka taminao koa ny Edômita, ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.


Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra