Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miala eto ianao sy ny firenena izay noentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ka miakara ho any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana, miaingà avy eto, ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ hianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, ho amin’ny tany izay nianianako amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miala eto ianao sy ny firenena izay noentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ka miakara ho any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.


Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?


Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Dia nilaza tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.


ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: ‹Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!› Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.


Moa ve izaho no torontoronina an’ireo vahoaka rehetra ireo! Sa izaho ve no niteraka azy no ilazanao hoe: «Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron’ny mpitaiza zaza izy, mandra-pahatonga azy any amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razany fa homena azy».


I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita.


Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra