Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha ka horoahiko ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha ka horoahiko ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:2
16 Rohy Ifampitohizana  

ny Amôrita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita.


Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.


i Kanahàna koa no razambe nipoiran’ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasîta


«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.


«Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amôrita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Fa haka ny tanin’ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.


Amin’izany fotoana izany dia harovan’ny Tompo ireo mponin’i Jerosalema; ka ny osa indrindra ao aminy dia hatanjaka tahaka an’i Davida, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ny anjelin’ny Tompo mitarika azy eo aloha.


Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo.


Dia niampita an’i Jôrdàna ianareo ka tonga tao Jerikao; ary niady taminareo ny mponina tao Jerikao, toy izany koa ny Amôrita sy Perizita, ny Kanahanita sy Hetita, ny Girgasita sy Hivita ary Jebosita nefa samy natolotro tao an-tananareo ireny.


Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.


Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan’ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra