Eksodosy 33:3 - DIEM PROTESTANTA3 Amin’izay ianareo dia ho afaka hiditra amin’io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dàlana ianareo satria vahoaka mafy hatoka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 dia ho any amin’ny tany izay tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, fandrao handringana anao eny an-dalana; satria olona mafy hatoka ianao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Amin’izay ianareo dia ho afaka hiditra amin’io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dàlana ianareo satria vahoaka mafy hatoka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Dia ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, fa tsy hiakatra Aho eo afovoanao, satria vahoaka mafy hatoka ianao, ka sao dia haringako eny an-dalana eny.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 dia ho amin’izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka hianao), fandrao handringana anao eny an-dàlana Aho. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 dia ho amin'izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 dia ho any amin’ny tany izay tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, fandrao handringana anao eny an-dalana; satria olona mafy hatoka ianao. Jereo ny toko |
Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Efapolo taona no nandehanan’ny Israelita tany an-taniefitra. Lany ritra tamin’izany ny lehilahy afa-miantafika rehetra izay indray niala tany Ejipta, satria tsy nanaiky ny TOMPO ry zareo; ary efa nianianan’ny TOMPO ireo fa tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenainy tamin’ny razany fa homena antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.