Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nony ren’ny vahoaka izany teny fandrahonana izany, dia nisaona izy, ka tsy nisy olona nitondra haingo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Rehefa ren’ny olona izany teny mampahory izany dia nanjoretra izy ka tsy nisy olona niravaka intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nony ren’ny vahoaka izany teny fandrahonana izany, dia nisaona izy, ka tsy nisy olona nitondra haingo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary rehefa ren’ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary rehefa ren'ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Rehefa ren’ny olona izany teny mampahory izany dia nanjoretra izy ka tsy nisy olona niravaka intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Simehỳ: –Tsy ho faty tsy akory ianao. Ny tenako no mianiana izany aminao.


Rehefa ren’i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin’ilay gony ary namindra miadana dia miadana.


Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekià mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon’ny TOMPO.


Vao nandre izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro; ary nipetraka tahaka ilay torana iny aho,


Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka


Saiky tsy nahafantatra azy anefa ireo raha nahatazana an’i Jôba, ka dia nitomany; nandriatra fitafiana izy ary nanopy vovoka teny amin’ny rivotra mba hiraraka eny an-dohany avy.


Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.


Mangovita ianareo mitoredretra matahora ianareo tsy rototra. Esory avokoa ny fitafianareo, ka lamba fisaonana no isikino.


Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.»


Hofehezinareo eny an-dohanareo ny hamama, ary hanaovanareo ny kapanareo, tsy hitaraina ianareo sady tsy hitomany. Nefa hihareraka ianareo noho ny fahadisoanareo, ary hifampitoloko ianareo samy mpiray firenena.


Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin’ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra, satria ory loatra noho ny manjo anao.


Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.


Ary hoy kosa i Mosesy tamin’i Aharôna sy tamin-dry i Elehazara sy i Itamara zanany roa lahy hafa: –Aza avela hirakaraka ny volon-dohanareo ary aza triarina ny fanamianareo, fandrao dia ho faty eo koa ianareo sady hiharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireto Israelita rehetra tafangona. Fa ny mpiray firenena aminareo, izany hoe ny taranak’i Israely rehetra, no aoka hitomany, noho izy roa lahy nofaizin’ny TOMPO tamin’ny afo mandoro.


Rehefa ren’ny mpanjakan’i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin’ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin’ny lavenona.


Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: –Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay?


nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?


Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.


Nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita rehetra izany teny izany, ka dia nalahelo mafy ny vahoaka.


Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra