Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipì-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia.


Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.


Ao anatin’ny indray mipy maso monja amin’iny mamatonalina iny no mety hahafatesan’ny olona. Aringan’Andriamanitra ny mpanankarena dia manjavona tsy hita intsony; ary lasa tsy natosiny akory ny mahery.


Andriamanitra ô, diniho aho ka fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro eritreritra.


Oadray! Fongana indray mipi-maso izy, levona matin’ny horohoro tampoka.


Ary hoy Izaho TOMPO taminao: «Hitako tsara io vahoaka io fa mafy hatoka.


Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.


Tamin’izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.


Saingy fantatro fa maditra ianareo; miridiridy toy ny hoza-by ny hatokareo ary mafy toy ny varahina ny handrinareo.


Lehibe noho ny heloky ny tao Sôdôma ny fahotan’ny vahoakako; nefa noravana indray mipi-maso io tanàna io ka tsy nisy nihetsehana akory.


Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.


–Mialà ianareo amin’ireo andian’olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho.


Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.


Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra