Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 12:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrama ka niteny hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO izay niseho taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary Jehova niseho tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah Izay niseho taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrama ka niteny hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO izay niseho taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 12:7
55 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.


Miaingà ka mandehana mamakivaky ny tany amin’ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.


Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.


Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.


Niseho tamin’i Abrahama tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy fa nafana ny andro.


Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.


Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.


Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.


Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.


Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.


Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.


Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.


Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy i Itsehàka.


Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an’io toerana io hoe Andriamanitr’i Betela; satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


Ary nanorina alitara tamin’io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’ny TOMPO. Dia niantran’ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an’i Israely intsony ny areti-mandringana.


Ireo vato ireo no nanamboarany alitara ho an’ny anaran’ny TOMPO; ary ny manodidina ny alitara dia nanaovany hady kely mahalany telopolo litatra eo ho eo.


Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka.


fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko ho anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao».


kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.


Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an’izany ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao.


Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.


Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».


Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»


Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.


Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.»


Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany.


Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.


–Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy.


«Ireo olona izay niakatra avy tany Ejipta ka feno roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homena azy, satria tsy nanaraka ny teniko izy.


Tsy nisy faritra natolotr’Andriamanitra ho anjara lovan’i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain’Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan’ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin’izany fotoana izany,


Izany hoe: tsy ireo zanaka teraka ara-nofo no tena zanak’Andriamanitra, fa ireo zanaka teraka araka ny fampanantenan’Andriamanitra no heverina ho tena taranaka.


Tamin’i Abrahama sy tamin’ilay taranany kosa no nilazan’Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina dia tsy manao hoe «tamin’ireo taranany», toy ny nanondro maro; fa hoe «tamin’ilay taranakao», toy ny manondro tokana: dia i Kristy izany.


Fa ianareo, ry havana, dia zanaka nateraka araka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, tahaka an’i Itsehàka.


Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.»


Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Io tany io no nampanantenaiko ombàm-pianianana tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, fony ireo nilazako hoe: «Homeko ny taranakareo ity tany ity.» Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.


Rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homeny anareo,


Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.


Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.


Ary nony tonga tao Gelilôta teo amoron’i Jôrdàna sady mbola tao amin’ny tany Kanahàna izy telo tonta, dia nanorina alitara lehibe mahatalanjona teo amoron’ny renirano.


Tamin’izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan’i Josoa alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.


Rehefa izany, dia niverina nody tany Ramà izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra