Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 12:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 12:8
33 Rohy Ifampitohizana  

Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.


Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin’ny toerana izay efa nitobiany tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.


Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.


Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.


Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.


Dia nahatratra an’i Jakôba i Labàna, fony i Jakôba efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitr’i Gilehada; ary i Labàna sy ny havany koa nanorina ny lainy teo


Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.


Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an’Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin’izay rehetra nalehako.


Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an’io toerana io hoe Andriamanitr’i Betela; satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.


Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


Ny sasany tamin’ny taranak’i Benjamîna kosa dia nonina tamin’ireto tanàna ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haià, i Betela sy ireo tanàna kely miankina aminy,


ka niantso ny TOMPO nanao hoe: «Miangavy aho, TOMPO ô, mba vonjeo re aho!»


Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».


tonga ao akaikin’i Haiata, dia mandalo ao Migrôna ary mametraka ny entany ao Mikmasy.


Ary izay rehetra hiantso ny anaran’ny Tompo dia ho voavonjy!»


Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany.


i Bety-Harabà, i Tsemaraîma, i Betela,


Ary nony tonga tao Gelilôta teo amoron’i Jôrdàna sady mbola tao amin’ny tany Kanahàna izy telo tonta, dia nanorina alitara lehibe mahatalanjona teo amoron’ny renirano.


I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo


Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanàna hidanadana teo.


Dia niainga hamely an’i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina


Tamin’izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan’i Josoa alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Dia nalefan’i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin’ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan’i Hay, teo anelanelan’i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon’ny tafika sisa ihany tamin’io alina io.


Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.


Nandefasany koa ireo loholon’i Betela sy i Ramôta-Negeba ary i Jatira,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra