Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 15:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 15:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.


Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao.»


Eny, tsaroan’Andriamanitra ny teniny masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.


nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena ka izay nisasaran’izy ireny no lasany,


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»


Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo.


Nampanantenain’Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna, fa noho izy ireo nino ka neken’Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany.


Tamin’izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: «Efa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan’ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.


Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra