Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 15:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken’ny TOMPO azy ho marina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary nino NY TOMPO izy, koa nisainy ho fahamarinany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken’ny TOMPO azy ho marina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary nino an’i Iaveh i Abrama, ka neken’i Iaveh ho fahamarinany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nino an’i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary nino NY TOMPO izy, koa nisainy ho fahamarinany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 15:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.


koa izany asa soa izany dia hahatsiarovana azy eo amin’ny taranaka mifandimby ary mandrakizay.


fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina;


Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.»


Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‹Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin’Andriamanitra hoe sakaizany izy».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra