Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 34:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanahàna ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mandidia ny Zanak’Israely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana ianareo dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka ny voafaritry ny sisintaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanahàna ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mandidia ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana ianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mandidia ny Zanak’Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana hianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mandidia ny Zanak’Israely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana ianareo dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka ny voafaritry ny sisintaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 34:2
23 Rohy Ifampitohizana  

ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.


fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao.»


Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ka hatrany amin’ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin’ny taniefitr’i Sinay ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin’ireo faritany ireo ka horoahinareo.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.


Samy hanana anjara faritany mitovy ny foko tsirairay. Efa nianiana manko Aho fa homeko ny razanareo ity tany ity, ka ho azonareo ho fanananareo.


Niteny tamin’i Mosesy koa ny TOMPO


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin’ny haizina ho amin’ny mazava ary hiala amin’ny fahefàn’i Satàna ho amin’Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin’ireo voatokana ho vahoakan’Andriamanitra.»


Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan’Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr’Andriamanitra izany!


Mangataka aho ny hanokafan’Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan’Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren’ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an’ny vahoakany;


Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.


Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:


Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra