Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 34:3 - DIEM PROTESTANTA

3 «Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 «Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tsira any atsinanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny tany efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ny sisintaninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasintsira,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 34:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin’ny lohasahan’ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny.


Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ka hatrany amin’ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin’ny taniefitr’i Sinay ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin’ireo faritany ireo ka horoahinareo.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.


Ary hoy ralehilahy tamiko: «Mizotra hankany amin’ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan’i Jôrdàna ary mivarina eo amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.


dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra