ny Patrôsita sy ny Kaslohita ary ny Kaftôrita; ka ny Kaftôrita no niavian’ny Filistinina.
Genesisy 10:14 - DIEM PROTESTANTA ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina. Baiboly Katolika ny Fetrôsima, ny Kasloima, izay iavian’ny Filistinina ary ny Kaftorima. Baiboly Protestanta Malagasy sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian’ny Filistina) ary ny Kaftorita. Malagasy Bible sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita. La Bible en Malgache ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. |
ny Patrôsita sy ny Kaslohita ary ny Kaftôrita; ka ny Kaftôrita no niavian’ny Filistinina.
Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.
Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:
Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an’i Tiro sy i Sidôna. Ravan’ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin’ny nosy Kaftôra.
Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»
Ny amin’ny Havita izay nonina tamin’ireo tanàna mipaka hatrany Gazà kosa, dia ny Kaftôrita avy tany Kaftôra no nandringana azy ka nonina nisolo azy.)