Isaia 11:11 - DIEM PROTESTANTA11 Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 Amin’izany andro izany dia mbola hanatsotra ny tanany fanindroany ny Tompo mba hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Asiria sy Ejipta, Patrosa sy Kosy, Elama, Sinara sy Hamata ary ny avy any amin’ny nosy an-dranomasina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Katolika11 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Ary amin’izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany Hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta Sy Patrosa sy Etiopia Sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ny moron-dranomasina. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina. Jereo ny toko |
Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.
«Any koa no tafangona ny tafika helamita manontolo sady voahodidin’ny fasany; samy voatrabaka sy maty an’ady avokoa izy rehetra. Ireo tsy voafora ireo, izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona, dia naidina any ambanin’ny tany. Izao izy rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any.
Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin’i Israely. Fa rehefa afaka tamin’ny ady ny mponina tao, dia niala tamin’ny firenena maro nielezany ary novorîna teo an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin’ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.