Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 47:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an’i Tiro sy i Sidôna. Ravan’ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin’ny nosy Kaftôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 noho ny hiavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra ta hanampy an’i Tiro sy i Sidona; fa horavan’NY TOMPO ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an’i Tiro sy i Sidôna. Ravan’ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin’ny nosy Kaftôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Noho ny hihavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra Sy handringanana izay sisa rehetra amin’ny mpamonjy an’i Tyro sy Sidona; Fa horavan’i Jehovah ny Filistina, Dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 noho ny hiavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra ta hanampy an’i Tiro sy i Sidona; fa horavan’NY TOMPO ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 47:4
27 Rohy Ifampitohizana  

I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta


ny Patrôsita sy ny Kaslohita ary ny Kaftôrita; ka ny Kaftôrita no niavian’ny Filistinina.


Tsy voatana Andriamanitra rehefa tezitra. Milefitra eo anatrehany i Rahaba sy ny tariny.


kanjo izy ihomehezan’ny Tompo Izay mahita fa antomotra ny andro famaliana.


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Midradradradrà, ry tanàna mimanda, ka manaova antsoantsom-pitarainana. Ketraka ny Filistinina rehetra, fa misy setroka miakatra avy any avaratra; tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.


Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»


Tsy sabatra nataon’ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an’olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan’io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona.


Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.


Ny iray amin’ireo lalana ireo dia hitondra ny tafika babilônianina ho any Rabà, tanànan’ny Hamônita; fa ny iray kosa ho any Jerosalema, tanànamimanda any Joda.


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin’ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin’ny fahavalo tokoa ianareo!›


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.


Ary rehefa hodorako amin’ny afo i Ejipta sady haringako ireo rehetra mpiaro azy, dia hoekena amin’izay fa Izaho no TOMPO.


Tonga ny fotoana ary akaiky ny andro fitsarana: aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Satria andro nataon’Andriamanitra ho famaizana izany andro izany, mba hahatanterahan’izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina.


Ny amin’ny Havita izay nonina tamin’ireo tanàna mipaka hatrany Gazà kosa, dia ny Kaftôrita avy tany Kaftôra no nandringana azy ka nonina nisolo azy.)


Rehefa ren’i Pinehasa mpisorona sy ireo loholom-piangonana (izany hoe ireo Israelita mpifehy arivo tafaraka taminy) ny teny izay nambaran’ny Reobenita sy Gadita ary Manasita, dia nahafa-po azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra