Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 47:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Mikatrokatroka ny kitron’ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady ary ny fikotrokotroky ny kodiarany; ary ny ray dia tsy mijery ny zanany fa miraviravy tanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Mikatrokatroka ny kitron’ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny, sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany: tsy miherika izay zanany intsony ny rainy, fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka Sy ny fikorodondrodon’ny kalesiny Ary ny fikotrokotroky ny kodiany Ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tànana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady ary ny fikotrokotroky ny kodiarany; ary ny ray dia tsy mijery ny zanany fa miraviravy tanana,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 47:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Voaranitra ny zana-tsipîkany, ary voahenjana avokoa ny tsipîkany. Mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny, ary miriotra toy ny tadio ny kodiaran-kalesiny.


Manafiha amin’izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon’i Kosy sy Pota izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon’i Loda izay mirongo tsipîka!»


Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy, ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Babilôna!


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.


Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin’ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy.


Azo ka nentin-ko babo ny sarin’ny andriamani-baviny, ary ny mpanompovaviny mitoloko toy ny voromahailala sady mandòn-tratra noho ny alahelo.


Manana fiarovantratra tahaka ny akanjo vy fiarovantratra izy ireo; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady.


Dia nihazakazaka mafy ny soavaly; ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra