Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 47:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Izao no lazain’ny TOMPO: «Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra, ary tonga ranon-driaka misamboaravoara ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy, dia ireo tanàna sy ny mponina ao aminy. Mikiakiaka ny olona; ary manao hira fitarainana ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; mitaraina ny olona, ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Izao no lazain’ny TOMPO: «Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra, ary tonga ranon-driaka misamboaravoara ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy, dia ireo tanàna sy ny mponina ao aminy. Mikiakiaka ny olona; ary manao hira fitarainana ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Izao no lazain’i Iaveh: Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra; dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka, ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, na ny tanàna, na ny mponina. Mihorakoraka ny lehilahy, ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no lazain’i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra Ka ho tonga ony maria Manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, Dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, Ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; mitaraina ny olona, ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 47:2
32 Rohy Ifampitohizana  

Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao; satria Ahy ny tontolo sy izay eo aminy.


Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany, aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny,


Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny ary aoka hiredona hira ny tany sy ny mponina ao aminy!


Midradradradrà, ry tanàna mimanda, ka manaova antsoantsom-pitarainana. Ketraka ny Filistinina rehetra, fa misy setroka miakatra avy any avaratra; tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.


Antsoantsom-pitarainana no heno manodidina ny faritanin’i Môaba; hatrany Eglaîma sy hatrany Beera-Elima aza no andrenesana ny fidradradradràny.


Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin’i Jerosalema?


Ny rariny no horaisiko ho hazo mahitsy, ary ny fahamarinana no hataoko pilao. Koa hopaohin’ny havandra ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo ary hindaosin’ny rano ny fierenareo.


Amin’izay dia hohajaina ny anaran’ny TOMPO hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany; hohajaina ny fanatrehany be voninahitra, rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria asesiky ny tafio-drivotra goavana.


Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: –Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin’ny tany.


Ren’ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta:


Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta! Kinanjo tamy avy any avaratra ny fihitra hanaikitra azy!


Rakotra henatra ny mponin’i Ejipta: eo an-tanan’ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!


–Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro misy vahoaka tonga avy any amin’ny tany avaratra, dia firenen-dehibe iray miainga avy any am-paran’ny tany.


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.


na dia tonga hanafotra aza ny loza. Fa potehiny kosa ny fahavalony ary alefany any amin’ny haizim-pahafatesana.


satria «an’ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina.


Kanefa raha ilazan’olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin’ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana;


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.


Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.


Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Ny ranobe, izay hitanao ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia vahoaka sy olona maro mbamin’ny firenena sy ny samy hafa fiteny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra