Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 47:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin’i Jeremià mpaminany momba ny Filistinina, talohan’ny hamelezan’ny Farao an’i Gazà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony i Farao tsy mbola namely an’i Gaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin’i Jeremià mpaminany momba ny Filistinina, talohan’ny hamelezan’ny Farao an’i Gazà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’i Gaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony i Farao tsy mbola namely an’i Gaza.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 47:1
11 Rohy Ifampitohizana  

ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.


miaraka amin’ireo firenena madinika samihafa monina any Ejipta; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tany Hotsy; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina: dia ny tao Askelôna sy tao Gazà sy tao Hekrôna ary tao amin’ny faritra sisa eo Asdôda;


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.


Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana mialoha ny hiavian’ny andron’ny TOMPO izay andro lehibe sady mahatahotra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra