Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 6:2 - DIEM PROTESTANTA

Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO».

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Niteny tamin’i Môizy Andriamanitra nanao hoe: «Izaho no Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 6:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.


«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.


Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.


Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO.


Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: –Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho atỳ aminareo.»


Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.


dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.


Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Izaho no TOMPO, ilay Masinareo, Mpahary an’i Israely sady mpanjakanareo.»


Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:


Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tamin’ny andro nifidianako ny vahoaka Israely, dia izy rehetra no nianianako. Niseho taminy Aho tany Ejipta ary nampanantena azy mafy ho TOMPO Andriamaniny.


«Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak’i Jakôba anareo.