Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 42:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, Ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, Na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Ihirao salamo Izy satria be voninahitra. Tolory voninahitra Izy amin’ny fiderànareo.


Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin’ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!


Aza miankohoka amin’andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe ‹Ilay mpitandro hasina›, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.


Koa hoy ny TOMPO hoe: –Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin’i Israely mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.


Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baràka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.


Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»


Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.


«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:


Rehefa avy niboboka divay izy rehetra, dia nankalaza ireo andriamaniny volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary hazo sy vato.


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!


Imasoy hotanterahina ny didy rehetra amin’ity Lalàna ity, dia ny didy rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity; ary hajao ilay mitondra ny anarana be voninahitra sady mendri-kohajaina hoe «Ny TOMPO Andriamanitrareo». Raha tsy izany no tandrovinareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra