Eksodosy 6:14 - DIEM PROTESTANTA Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita. Baiboly Katolika Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena. Baiboly Protestanta Malagasy IZAO no lohan’ny fianakaviany: –Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena. Malagasy Bible Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena. La Bible en Malgache Ireto avy ny lohan’ny fianakaviany: Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy; ireo no fokom-pirenen’i Robena. |
Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy.
Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka sy i Palò ary i Hetsirôna sy i Karmỳ.
Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.
Dimy ny zanakalahin’i Bela: dia i Etsebôna sy i Hozỳ mbamin’i Hoziela sy i Jerimôta ary i Hirỳ; samy lohan’ny fianakaviany avy izy dimy ireto, samy lehilahy mahery, ary dia 22 034 no isan’ny taranany.
Ireto kosa ny zanakalahin’i Ehoda: i Nahamàna sy i Ahià ary i Gerà (ity Gerà ity dia niteraka an-dry i Hozà sy i Ahihoda). Loham-pianakavian’ireo mponina tao Geba izy telo mirahalahy ary nampifindra monina azy tany Manahata; i Gerà mihitsy no nitarika izany fifindra-monina izany.
Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.
I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.
ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,
Ny taranak’i Simehôna, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Nemoelita avy tamin’i Nemoela; ny Jaminita avy tamin’i Jamina; ny Jakinita avy tamin’i Jakina;
I Jôrdàna sy ny morontsiraka no sisin-tanin’ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanàna kely miankina aminy, no zaratany nolovan’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao anatiny.
Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin’ny tany Kanahàna. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin’ny foko israelita no nizara azy.
I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana israelita no nizara ireo tany lova ireo. Tao Silao no nizarany azy antsapaka teo anatrehan’ny TOMPO, dia teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana. Toy izany no nahavitana ny fizaràna ny tany.