Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 5:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary izao no lohan’ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 5:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Koa raha niverina ho any Tsiklaga iny i Davida no tonga nikambana taminy kosa ireo olona anisan’ny fokon’i Manase, dia i Hadnà sy i Jôzabada, i Jedihaela sy i Mikaela mbamin’i Jôzakara sy i Elihò ary i Tsiletahy izay samy mpifehy arivo tao amin’i Manase.


Ny zanakalahin’i Apaîma dia i Jisehỳ; ny zanakalahin’i Jisehỳ dia i Sesàna; ary ny zanakalahin’i Sesàna dia i Ahelay.


Ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina ny faritra hatreo Basàna ka hatrany Bahala-Hermôna sy Senîra ary ny tendrombohitra Hermôna; nihamaro be izy ireo.


Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase dia nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan’ny firenena tompon-tany izay efa naringan’Andriamanitra teo anoloany.


Ny zanakalahin’i Hozỳ dia i Jizrahià; ny zanakalahin’i Jizrahià dia i Mikaela sy i Hôbadià ary i Joela sy i Jisià: izy dimy mianaka ireto dia samy loham-pianakaviana avokoa;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra