Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 5:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina ny faritra hatreo Basàna ka hatrany Bahala-Hermôna sy Senîra ary ny tendrombohitra Hermôna; nihamaro be izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina teo amin’ny tany; ary nihamaro izy ireo ka tonga hatrany Basana ka hatrany Baala-Hermona sy Senira ary hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina ny faritra hatreo Basàna ka hatrany Bahala-Hermôna sy Senîra ary ny tendrombohitra Hermôna; nihamaro be izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’i Manase dia nonina tamin’ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ny tendrombohitra Hermona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina teo amin’ny tany; ary nihamaro izy ireo ka tonga hatrany Basana ka hatrany Baala-Hermona sy Senira ary hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 5:23
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy.


Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna; satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana, dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Andao hiaraka amiko, ry fofombadiko; ialao i Libano ka andao hiaraka amiko. Hidina avy eny an-tampon’i Amanà ianao, ary hidina avy eny Senira sy Hermôna. Andosiro ireny fa toeram-pieren’ny liona sy tendrombohitra fiafenan’ny leôparda.


Hazo kipreso avy any Senira no nanamboarany manontolo ny vatan-tsambonao; hazo sedera avy any Libano no nalainy hanaovana ny andrin-tsambonao.


Ny taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraîmita.


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»


ao anatiny koa i Gilehada, ny faritanin’i Gesora sy i Mahekà, ny tendrombohitra Hermôna, ary i Basàna manontolo hatrany Salkà;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra