Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Eksodosy 39:43 - DIEM PROTESTANTA Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy. Baiboly Katolika Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. Malagasy Bible Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. La Bible en Malgache Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy. |
Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.
Ary tamin’ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan’izany an-tsakany sy an-davany tamin’ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
Ary rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny TOMPO.
Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.
Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
Nisaoran’ny vahoaka manokana ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina ao Jerosalema.
TOMPO ô, ho mandrakizay anie ny voninahitrao ary aoka Ianao hifaly amin’ny asa vitanao!
mahasarika noho ny volamena, dia ny vaingam-bolamena voadio; sady mamy noho ny tantely, dia ny tantely avy amin’ny tohotra.
Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.
Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.
Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
dia narehitra ny jiro teo anatrehan’ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.
Dia nankany Farà aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.
«Lalàna raikitra ho anareo izany, mba hahazoana, indray mandeha isan-taona, ny famelana ny heloka rehetra ho an’ny Israelita.» Dia araka izay zavatra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nataon’i Aharôna.
Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.