Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 14:19 - DIEM PROTESTANTA

19 ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nitso-drano azy izy ka nanao hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, Dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 14:19
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy i Abrama hoe: –Atsangako amin’ny TOMPO Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ny tanako


ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


ka anamboaro hanim-py ho ahy araka ilay tiako, ary ento aty hohaniko. Avy eo dia hotsofiko rano ianao alohan’ny hahafatesako.


Dia nisaotra sy nanao veloma ny Farao i Jakôba ary niala teo anatrehany.


Nentin’i Jôsefa teo anatrehan’ny Farao koa i Jakôba rainy. Dia niarahaba sady nirary soa ny Farao i Jakôba,


Izy rehetra ireo no foko israelita roa ambin’ny folo. Izany no teny nolazain-drainy taminy, fony izy nitsodrano azy. Eny, samy nomeny tsodrano manokana ny foko tsirairay avy.


dia nandefa iraka hankany amin’ny mponin’i Jabesa izy hilaza hoe: «Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin’ny nandevenanareo an’i Saoly tomponareo izao.


Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra.


Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.


Hitahy anareo anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!


Ny lanitra dia an’ny TOMPO; ny tany kosa nomeny ny olombelona!


Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


fa Ahy avokoa ny biby any an’ala sy ny biby fiompy manerana ny tanety;


«Inona àry no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak’omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho?


Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.


Avy eo dia notrotroin’i Jesoa ireo zaza ireo ary nametrahany tanana ka notsofiny rano.


Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin’ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!


Nanjohy anay sy i Paoly izy sady niantsoantso hoe: –Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo indrindra ireo lehilahy ireo! Ny lalam-pamonjena no torîny aminareo!


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.


Indro fa an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.


Dia hoy i Bôhaza hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.


Rehefa tonga teo amin’i Saoly i Samoela, dia nilazany hoe: –Hitahy anao anie ny TOMPO! Efa narahiko ny tenin’ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra