2Tantara 6:3 - DIEM PROTESTANTA3 Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy: Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Jereo ny toko |
Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.